BNGRC : Tarehimarika ofisialin’ny vokatry ny andro ratsy nanerana ny nosy
31 Janoary, 10h00. Araka ny tatitra farany nataon’ny BNGRC iomaly dia 55 ny isa ofisialin’ireo namoy ny ainy nandritra ny rivodoza ANA. Tafiakatra 131 549 ny isan’ireo olona traboina izay mitsinjara amin’ny faritra 12 manerana an’i Madagasikara. 32 801 kosa ny isan’ ireo nafindra toerana vonjimaika manerana ny nosy, ny 32 420 amin’ireo dia traboina eto Antananarivo Renivohitra ary nafindra amin’ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 77. Marihina fa nisy ireo traboina tamin’reo toerana voatokana ireny efa namonjy ny toeram-ponenany.
