ActualitésTsidika

Alasora : Voin-kava mahatratra

Tonga nizara fanampiana ireo tra-boina eny amin’ny CEG Alasora ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ary ny Solombavambahoaka voafidy teto Avaradrano. Kaominina isan’ny tena niharan’ny fiarakaran’ny rano teto Avaradarno ny kaominina Alasora.

« Tsy hay ny hijery fotsiny ny voina mihatra amin’ny mpiray tanindrazana. Tonga nitondra ny voarambin’ny tanana izahay ho an’ireo tra-boina eto amin’ny CEG Alasora » hoy ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany, Andrianainarivelo Hajo. « Izay marary ny vahoaka dia marary amiko. Voin-kava mahatratra. Mila mifanampy sy mifanohana hatrany isika ho an’ireo tra-boina » hoy ny solombavambahoaka eto Avaradrano, Randriambolaina Jerry. « Tena niteraka fahavoazana teto amin’ny Kaominina ny andro ratsy. Ny mahafinaritra dia ny mahita ny firaisan-kianan’ny mpiray tanindrazana. Tsy vitsy ireo nitondra fanampiana » hoy i Henri, raim-pianakaviana isan’ireo tra-boina.

Ny erikerika mahatondra-drano. Raha samy manome izay voarambin’ny tanana ny tsirairay hanampiana ireo tra-boina, dia efa zava-dehibe izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire