Avaradrano: Kaominina anisan’ny nahitana tra-boina i Ambohimanambola
Toerana efatra no andraisana ireo tra-boina vokatry ny andro ratsy ao Ambohimanambola. Miisa 473 ireo olona raisina ao an-toerana amin’izao fotoana izao. “Mizara ho site efatra ny andraisana ireo tra-boina eto Ambohimanambola. Eo ny any amin’ny Lisea taloha, ao amin’ny EPP Ambohibato, ny eny Antanetibe ary ao amin’ny Fokontany Tanjonandriana” hoy ny avy ao amin’ny Koaminina. “Misy fianakaviana 7 voa mafy noho ny rotsak’orana izao teto tanjonandriana. Ao rava trano sy ny tsy manan-kialofana” hoy ny Filoham-pokontany ao Tanjonandriana. “Mbola ampy tsara hatreto ny sakafo. Ao ireo mitondra fanampiana ary tsy mitsahatra mitady vahaolana ny kaominina” hoy i Ferlin, anisan’ireo tra-boina. Ahitana olona tra-boina 260 ao amin’ny site lisea taloha raha toa ka 163 ny eny amin’ny EPP Ambohibato. Misy Olona 13 tao anatin’ny fianakaviana 4 kosa ao Antanetibe raha 37 ny any amin’ny Fokontnay Tanjonandriana. Mifanampy ny mponina sy ny mpitondra amin’ny fanampiana ireo tra-boina.
