ActualitésTsidika

Fianarantsoa: Mpitsabo iray sy mpampivelona roa no naiditra am-ponja

Mpitsabo iray sy mpampivelona roa no naiditra ma-ponja vonjimaika tany main’ny fonjan’Ankazondrano. Ny raharaha kolikoly nisy tao amin’ny Hopitaly Tambohobe Fianarantsoa no nanenjehana azy ireo. “Efa naharay fitarainana izahay ny volana Novambra lasa teo. Vehivavy roa handeha hiteraka no niharan’ny kolikoly” hoy ny avy ao amin’ny BIANCO Fianarantsoa. “Samy nandalo fandidiana noho ny fahasarotam-piterahana izy roavavy bevohoka ireto. Notakiana vola dimy hetsy Ariary be izao vao mahazo misitraka fitsaboana” hoy ny mpitsabo iray ao amin’ity Hopitaly ity. “Tena vidiana lafo amin’ny olombelona ny aina. Anatra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izao” hoy i Tamby,  mponina ao Fianarantsoa. Ny avy ao amin’ny Fitsarana Voalohany ao Fianarantsoa no nandray izao fanapahan-kevitra izao. 

Laisser un commentaire