ActualitésTsidika

IKOPA : Nifanome tànana ny mponin’Ampasika

Miakatra ny ranon’Ikopa amin’ny toerana maro. Ahiana ny fahavikasan’ny fefiloha ka mety ahatondra-drano ireo tanàna manodidina sy ny tanimbary eo Ampasika ary Andohatapenaka.Nifanentana ireo mponina teny an-toerana manoloana izany ka niara-nisalahy nanamafy ny fefiloha ny harivan’ny alatsinainy teo. Ireo lava-boalavo amin’ny fefiloha no ahiana mety hitarika ny fahavakisan’ny fefiloha hoy ireo mponina ka ahiana hanondraka ny tanimbary sy ny tanàna manamorona ny rano.

Laisser un commentaire