Fampianarana: Miato ny fampianarana ho an’ny Distrika maromaro eto Madagasikara
Mbola miato ny fampianarana ho an’ny Distrika maromaro eto Madagasikara noho ny mbola tsy mampilamina ny toetry ny andro. Tafiditra ao anatin’izany ny Distrikan’i Maintirano, Besalampy, Mahanjanga, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, Antsohihy, Analalava, Ambanja, Nosy Be, Ambilobe, Antsiranana, Antalaha, Antananarivo, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe. Miampy ny Distrika rehetra ao amin’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Miato ny fampianarana manomboka ny 24 Janoary hatramin’ny 28 Janoary 2022 ary mandra-piverina ho faritra maitso. Tsara raha mifampiresaka hatrany ny talen-tsekoly sy ny ray aman-dreny manoaloana ny fivoaran’ny toetrandro.
