Ambodivoara Ambohimangakely : Mila foto-drafitr’asa maharitra amin’ny fampandrosoana
Nahitam-pahasimbana sahady ny lalana rarivato ao Ambodivoara miakatra ao Andranovao any Ambohimangakely. Mila fikolokoloina avy amintsika mpampiasa lalana ny lalana.
« Simba sahady ity lalana vao tsy nisy herintaona ity. Entin’ny riaka ny fasika dia miendaka ny vatokely » hoy i Lanto, mponina ao Andranovao. « Tsy ampy ny fahaiza-manaon’ireo orinasa. Mila manaraka ny fenitra anefa isika raha te hanana fotodrafitr’asa maharitra » hoy i Solo, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovainjafy.
« Ny fahavitana javatra tsara no tena ilaina eto Madagasikara. Izay no toe-tsaina tokony ho ananana raha te handroso » hoy i Hillary, mpianatra serasera ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny toe-tsaina tokoa no tena mila amboarina voalohany eto amintsika.
Ny toe-tsaina tia ny tsara sy miezaka mandroso. Tsy tokony hametraka ny fahazahoam-bola ho laharam-pahamehana isika.
Nicole Rafalimananjara
