ActualitésTsidika

Bemasoandro: Zaza telo no maty nihotsahan’ny tany

Zaza telo no indray namoy ny ainy anio 18 janoary tany Bemasoandro. Vodi-vato na “mur de soutenement” no nihotsaka nianjera tao amin’ny tranon’izy ireo. “Potika tanteraka tsy misy azo ho raisina ilay trano. Vato nanaovana arofanina amin’ny tamboho ity nianjera nahafaty olona telo ity. Tokony ho tamin’ny roa maraina teo no nisy feo nidoboka be” hoy i Hery, mponina ao Bemasoandro. “Tena mampalahelo ny zava-mitranga tahaka izao. Izay no ilàna manam-pahaizana rehefa hanangana fotodrafitr’asa iray. Zaza tsy manan-tsiny no mamoy ny ainy” hoy i Elidiot, manam-pahaizana mikasika ny fanorenana. “Tena betsaka ny zavatra simba nandritra iny orana tsy nijanona alina iny. Miantso ny tompon’andraikitra handray an-tanàna ireo tra-boina sy rava trano. Tsy vitsy ireo tsy mahita aleha noho ny fiakaran’ny rano indrindra ny eny amin’ny faritra iva” hoy i Razanamahasoa Hanitra, avy ao amin’ny antoko mpanohitra.  

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tahaka ny isan-taona dia misesisesy ny loza ateraky ny firotsahan’ny orana. Tao anatin’iny alina iray monja iny dia niseho avokoa ny fiakaran’ny rano, fihotsahan’ny tany, fhatapahan’ny làlana, fahasimban’ny voly eny an-tanimboly.  

Sasatra ny tompon’andraikitra isan-tokony mampahatsiahy ireo olom-pirenena rehetra ny amin’ny tokony hitsinjovan sy hiarovana ny tontolo iainana, ny hiantohana ny fahadiovana eny amin’ny tandrifin’ny tsirairay avy fa ihany koa eny amin’ireo toerana itambarna sy ivezivezen’ny be sy ny maro. Ny fako ahitana karazana plastika isan-karazany isay ariana etsy sy eroa, ny fanorenana toeram-ponenana amin’ny toerana mampiahiahy sy tsy tokony hanaovana izany, ny tsy fikarakara araky ny tokony ho izy ny fananana iombonana no manampy be dia be amin’ny loza tahaka ity nitranga teto ity.  

Laisser un commentaire