Ambatondrazaka: Olona 3 no maty noho ny lozam-pifamoivoizana
17 Janvier, 09h30. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny alahady teo tao Andilapotsy, 5 km mialan’Ambatondrazaka. Fiara fitateram-bahoaka iray mampitohy an’Amparafaravola sy Ambatondrazaka no nivadika noho ny fandehanana mafy araka ireo nanatrimaso. Olona telo maty tamin’izany ary maro hafa naratra izay efa any anivon’ny hopitaly.
