Etats-Unis : Very olona manan-tantara
Mpilalao horonantsary mainty hoditra voalohany nahazo « Oscar » i Sidney Poitier. Anisan’ny marika ho an’ny tontolon’ny horonantsary ao Etats-Unis izy, ary olo-malaza mainty hoditr’i Hollywood voalohany ihany koa. Namoy ny aina ny herinandro lasa teo, teo amin’ny faha 94 taonany kosa nefa izy ary tsy voafaritra mazava izay tena nahafaty azy. »Very marika, mahery fo, mpanoro hevitra, vakoka ary harem-pirenena ny firenena » hoy ny praiministra lefitr’i Bahamas, Chester Cooper. Mpamokatra ihany koa i Sidney Poitier, naneho ho an’ireo “afro-américain” ny ankahamaroan’ny horonantsariny fa mahavita zavatra ireo. Naneho izany ny « La porte s’ouvre » tamin’ny taona1950, « Les anges aux poings serrés » ny 1967 ary ny « Dans la chaleur de la nuit » tamin’ny taona 1967.
