ActualitésTsidika

Fitiavan-tanindrazana : Mampiavaka ny kolontsaina Malagasy ny firaisan-kina

Firenena miroborobo ara-barotra noho ny fakany tahaka i Chine. Fatra-panaja ny kolontsainy nefa izy na mpaka tahaka aza. Anisan’ny firenena tsy voataonan’ny kolontsaina avy amin’ny firenen-kafa izy.

Tsy mba anisan’izany nefa i Madagasikara, izay babon’ny kolontsaina avy any ivelany. Sehatra iray mampandroso ny firenena ny kolontsaina indrindra ny « Firaisan-kina » izay mampiavaka ny Malagasy. Rava noho ny foto-kevitra ara-politika tsy mitovy noho ny fitaoman’ny firenena samihafa nefa izany.

Lasa misara-bazana ny Malagasy ka vao maika mahery ny tsy fitovian-kevitra manasaraka ny kolontsaina. Araka ny efa nambaran’ireo vahiny nefa dia « il faut diviser pour régner », ary hita taratra eto amin’ny firenena izany.

Tsy midika fihemorana na fiverenana amin’ny andro taloha ny fanajana ny kolontsaina. Mampiavaka ary mampatanjaka firenena iray izany hoy i Rajoma Paul Joseph. Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fiombonana ary mampahery azy ny firaisan-kina izay tsy voazongozon’ny hafa, araka ny fiteny Malagasy hoe, ny firaisan-kina no hery.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire