Angovo : Nisy nanapoaka indray Andekaleka
11 Janoary, 12h00. Nisy nanapoaka Andekaleka. Tsy mamoaka herinaratra intsony. Miteraka fahatapahan’ny jiro ho an’ Antananarivo, Moramanga sy Antsirabe izany. Tsy ampy ny herin’aratra satria ny 90MW novokarina teto hatrizay no miantoka ny 40% ka hatrami’ny 50% ny herin’aratra ilain’ny tambazotra iraisan’Antananarivo na ny RIA.
