Andramasina: Tovolahy iray hita faty tao anaty ala kesika
11 Janoary, 09h00. Nisehoana vono olona mahatsiravina teny amin’ny alan-kesika manamorona ny làlan’Andranomandry ny alatsinainy teo. Tovolahy iray eo amin’ny 14 taona eo, avy eny Antovotany Andramasina no hita faty teny an-toerana, rehefa tsy hita nanomboka ny alahady atoandro niaraka tamin’ny bisikiletany. Vono olona niniana natao ity tranga ity raha ny fahitan’ireo fokonolona nanatri-maso sy nahita ny razana. Marihiona fa tsy nisy very ny entana teny aminy, hatramin’ny bisikiletany.
