ActualitésTatitra

Canada : Ho atokana ho an’ny olona vita vakisny ny toaka sy ny rongony ao Québec

Mba hamporisihana ireo olona mbola tsy nanao vaksiny hanatanteraka izany ao Québec dia nanamafy ny fepetra ara-pahasalamana ireo tompon’andraikitra. Eo am-pamolavolana fepetra vaovao mahakasika ny fividianana toaka sy ny rongony izy ireo.Tsy maintsy ho ampiasaina « pass vaccinal » ny fividianana izany hoy izy ireo. Mbola hifampidinihan’ny tompon’andraikitra miaraka amin’ny SAQ (Société des Alcools du Québec) tompon’andraikitry ny varotra toaka sy ny SQC (Société québécoise du cannabis) tompon’andraikitry ny varotra rongony ao an-toerana kosa io fepetra io.

Laisser un commentaire