Sainam-pirenena : Tokony hanaja ny fihetsika eo ampampiakarana azy ny rehetra
Isan’ny fihetsika maneho ny fitiavan-tanindrazana ny fanajana ny sainam-pirenena. Ny sainam-pirenena mantsy no mariky ny fiandrianam-pirenena.
« Ny olom-pirenena rehetra dia tokony hanaja ny sainam-pirenena rehefa ampiakarina izy. Na aiza na aiza toerana misy antsika. Tsy mihetsika rehefa miakatra ny saina fa mijoro mahitsy tsara » hoy i Hoby, mpampianatra. « Matetika rehefa Alatsinainy no mampiaka-tsaina ny kaominina Antananarivo. Mijanona avokoa, ary hita fa manaja ny sainam-pirenena, ny vahoaka » hoy i Feno, mpivarotra eny Analakely.
« Mbola misy ihany ireo hita tsy manaja ny sainam-pirenena rehefa miakatra. Indrindra any amin’ny sekoly any. Marika ny fitiavan-tanindrazana anefa izany. Porofo ihany koa fa mendrika ny hohajaina ireo nitolona ny fiandrianam-pirenena tami’ny 1947 » hoy i Vetso, mpianatra tantara eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Tsara raha manome haja ny sainantsika isika. Raha isika tompony aza tsy manaja, ahoana no hanajan’ny hafa azy na sanatria ny hafa indray no hanaja izany alohantsika ?
Nicole Rafalimananjara
