ActualitésTatitra

Japon : Trondro « thon » iray lafo 16,9 tapitrisa Yens tao Tokyo

Fomban-drazana ao Japon ny mivarotra « thon » rehefa taom-baovao. « Thon » maro be avy amin’ny mpivarotra trondro sy mpanjono ary toeram-pisakafoana samihafa no atao lavanty ao amin’ny tsenan’ny trondro ao Toyusu rehefa tonga io fotoana io. Mifaninana mivarotra « thon » lehibe amin’ny vidiny lafo indrindra izy ireo mba hitomboany vintana sy fahombiazana mandritra ny taona.Notontosaina ny alarobia teo io hetsika io. Mpanjono iray ao amin’ny faritr’i Aomori, ao avaratr’i Japon efa malaza amin’ny kalitaon’ny trondrony no namarotra « thon » lafo indrindra, nilanja 221 kilao. Lafony 16,9 tapitrisa Yens (580 tapitrisa Ar) tamin’ny Onodera Group, toeram-pisakafoana « sushi » nahazo kintana tamin’ny Michelin sy Yamayuki.Mbola ny varotra tamin’ny taona 2019 nefa no nahitana vidin’ny « thon » lafo indrindra tamin’ity hetsika ity. Nitentina 333 tapitrisa Yens (11 400 tapitrisa Ar) izany.

Laisser un commentaire