3FB Kick-Boxing : Nifidy filoha vaovao
Nahazo filoha vaovao ny 3FB Kick-Boxing. Haharitra 4 taona ny andraikitra sahanin’i Randriamanga Tolotra Nantenaina.
« Taona feno fanamby ho an’ny 3FB taranja Kick-Boxing ity taona ity. Hanamarika ny faha folo taona nijoroan’ny klioba isika » hoy ity filoha vaovao ity. « Noresahina nandritra izao fifidianana izao ireo drafitr’asa hotanterahana amin’ity taona ity. Hinoana fa hihatsara hatrany ny klioba » hoy ny mpikambana iray. « Mety mihitsy ny fisian’ny fifanimbiasam-pahefana mba hisian’ny fahasamihafan’ny fomba fijery. Tsy eo amin’ny fiainam-pirenena ihany fa eo amin’ny fiainam-pikambanana ihany koa » hoy i Ryamond, manam-pahaizana mikasika ny serasera sy ny fikarakarana.
Nampahafantarina nandritra ny fifidiana izay ho filohan’ny 3FB ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny birao miandraikitra ny raharahan’ny klioba. Marihana fa i Ravahara Joely no nitondra teo aloha.
Nicole Rafalimananjara
