Etats-Unis : Miakatra ambony dia ambony tahan’ny tranga vaovao
Mitàna « record » amin’ny tranga covid-19 ambony indrindra indray i Etats-Unis. Tafikatra 1 080 211 ny tranga vaovao nivoaka ny 3 janoary teo, araka ny tatitry ny oniversite Johns Hopkins. Efa ny alahady teo kosa ny Dr Anthony Fauci, mpanolotsaina ara-pahasalaman’ny fitondram-panjakana fa tsy hitsahatra hiakatra io isan’ny tranga io.Ny variant Omicron no tena mampiakatra ny antontan’isa ao an-toerana. Nisahana 59% amin’ny tranga vaovao izany hatramin’ny 25 desambra teo ho ny CDC, foibe mpisoroka sy mpanara-maso ny aretina. Nihena kosa ny taham-pahafatesana ao an-toerana hoy izy ireo, milatsaka 10% isan-kerinandro izany.
