Ny fivarotana menaka fanorana.
Taloha fahiny efa ela be dia mbola ravin-kazo no nitsaboana, ary sitrany avokoa izay maharary rehetra eny fa na dia am-bavahaonan’ny fahafatesana aza.Ravin-kazo tsy nisy fangaro ihany izany, ary ankehitriny na dia efa miroborobo fatratra aza ny teknolojia sy ny fivoarana dia mbola maro ireo olona mampiasa izany na ilay antsointsika hoe raokandro malagasy. Tambavy no fahafantaran’ny maro azy ary ankehitriny koa dia efa misy mamadika ho menaka izany raokandro izany.Ka isan’ny mpanamboatra izany i Mameric sy ny rainy, ny rainy no tena niandohany ka nolovainy taty aoriana ary hatramin’izao dia mbola manodina ny ravina ho menaka koa ny rainy ary izy no mivarotra izany. Amin’ny maha raokandro azy izay dia ny ravintsara, katrafay, ny jirofo sy ny maro tsy voatanisa no akora fototra ampiasaina, ary ireo no ampiarahina amin’ny menaka voafantina na ny « huile essentielle » izany araka ny nazavain’i Mameric hatrany.Fanampin’izany dia dingana maromaro vitsivitsy no lalovana raha te hahazo menaka mafana fanòrana iray dia ny fandrahoina ny menaka voafantina sy ny ravin-kazo ampiasaina ary faranana amin’ny fampangatsiahàna izany.Tsy nataotao foana anefa izy ity fa nahazo alàlana mazava tao anaty fikambanana raokandro malagasy ka izao afaka mivarotra izao.
Ary ny menaka amidy eo amin’izy ireo dia azo hanaovana fanandramana daholo alohan’ny hividianana azy, ny fanandramana tsy mandoa vola fa maimaim-poana hoy izy hatrany.Fanampinin’izany dia maro ny aretina sitran’ny menaka mafana eo amin’i Mameric toy ny sery, ny aretim-bavony, ny « goutte », ny tongotra vakivaky sns… Ary manomboka ny 500 ariary dia efa afaka mahazo izany eo aminy. »Rehefa misakafo sy salama tsara izaho sy ny ankohonako dia izay, isanandro izao indraindray 10 500 ariary no lafo na 20 000 ariary dia ampy hihinanana izany », hoy ny nambarany.Ririnina no tena fandehanan’ny tsena araka ny voalazany hatrany, noho ireo olona mitandrina amin’ny rivotra sy ny hatsiaka be. »Isika Malagasy tsy mino ny vokatra malagasy ka noho izany afaka manandrana izy aloha vao mividy amin’izay mino tsara », izay no hafatra avy amin’i Mameric.
Narcia Hantanirina


