Actualités

Japon : Tratran’ilay coronavirus vaovao koa.

Nambara tamin’ny talata fa misy soritr’aretina SARS-Cov-2 vaovao an’i Japon. Manahy ny vondrona siantifika mpanao vaksiny satria hafa tsy mitovy ny teo aloha ny fisehony ary mety hanelingelina ny fahombiazan’ny vaksiny efa natao niadiana tamin’ny covid-19.

Mivoatra isan’andro ny fiovan’ny SARS-CoV-2. Aretina vaovao iray momba ny coronavirus fantatra ao Japon izay mitazona ny sain’ny siantifika amin’izao.

Nihaiky ny manampahefana ao Japon ny talata 12 janoary teo fa naita karazana virus vaovao tamin’ny marary efatra avy any Brésil. Tsy misy zavatra miavaka be amin’ny SARS-CoV-2 maneran-tany hoy Simon Clark, mpampianatra momba ny “microbiologie cellulaire” ao amin’ny “université Reading”, izay manana fifandraisana amin’ny France 24. Miovaova ny fisehon’io aretina io ary voany gripa izay olona rehetra tratrany. Tsy misy fiatraikany ny fiovaovan’ireo tranga ireo.

Laisser un commentaire