Andrononobe : Rivotra feno setroka no iainan’ny mponina
Tsy ao Andrononobe be ihany no ahitana trangana fiakarana setroka na irony zavona tazan’ny maso irony fa manerana an’Antananarivo mihitsy. Saingy efa ho herinandro ireo mponina ao an-toerana no miaina ao antin’izany raha ny fanazavan’izy ireo.
« Tena mampijaly, raha mitazana dia tsy hita intsony ny tànana manodidina » hoy i Sandy, mponina ao an-toerana. « Tavy faranja kosa no vahaolana amin’izany » hoy i Solofo, mpandinika ny fiaraha-monina, saingy nanipaka izany mpiara miasa aminy fa « izany ihany no tsy mampilatsaka ny orana ». « Ny fitandrovana ny tontolo iainana ihany no nahafahana nisoroka ny tsy fahampian-drano sy ny zavona tsy hita pesipesenina ary ny tsy firotsahan’ny orana » hoy izy.
Nanamafy kosa ireo mpitsabo fa anisany mampihetsika ny aretin’ny taovam-pisefoana (asthme) io zavony io ka hilaina fitandremana.
Hasina Rasamimanana
