Fanodinkodinam-bola : Manao inona any Bénin i Raoul Arizaka Rabekoto ?
Nahazonin’ny manam-pahefan’i Bénin naomboka ny zoma teo i Arizaka Rabekoto Raoul filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja baolina kitra (FMF). « Efa nalefa ny fangatahana fampodiana azy mba hafahana mitsara manoloana ny fanamelohana azy nandritra ny fitondrany tao amin’ny CNAPS » hoy ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambonin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC). Raha tsiahivina mantsy dia voaheloka nanao ny fanodikodinana volam-panjakana 16 000 tapitrisa ariary tao amin’ny Cnaps ny tenany ka nitsaoka ny firenena ny volana martsa 2020.
« Mihatra avy hatrany ny didm-pitsarana vao tafody eto an-toerana izy » hoy hatrany i Razafindrakoto Solofohery ary nilaza izy fa hanefa sazy an-tranomaizina 10 taona sy handoa lamandy 500 tapitrisa ariary i Raoul Arizaka.
Hasina Rasamimanana
