ActualitésTsidika

Miandriarivo Ambanidia : Nosamborina ilay mpitandro filaminana nidaroka lehilahy

Niparitaka tao anatin’ny fotoana fohy ilay horon-tsary naneho ny fikasihan-tanana nataon’ilay mpitandro filaminana tamin’ny tovolahy mitaizakely. Mbola amperin’asa tanteraka ity farany no izao hita nanao herisetra izao, mbola teny aminy avokoa ireo fanamiana manamarina ny maha mpitandro filaminana azy. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny Polisim-pirenena Malagasy fa nandray ny andrakiny avy hatrany. Natao ny fisamborana ilay mpanararaotra fahefana ary efa notanana eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izay ankehitriny miandry ny sazy sahaza azy. Tsara ny manamarika fa tsy misy ahiana ny fahasalaman’ilay zaza raha ny fanazavana avy amin’ny fianakavian’ireo niharan’ny herisetra.

« Fihetsika kely sy fietseham-po  tsy voatandrina dia mety hamoizana zavatra maro, takiana ny hanalana azy amin’ny asany raha toa ka tsy voafehiny izany » hoy i Mampionona, olona nanatri-maso. « Tsy tokony iandany betsaka amin’ny fanehoan-kevitra misy eny amin’ny tambazotran-tserasera facebook ireo tompon’andraikitra  hanao ny fanadihadiana, manan-jo hiaro-tena malalaka  toy ny voapanga rehetra iay mpitandro filaminana » hoy i Nary, mpianatra « Amin’ny fomba ahoana no hinoana fa ho foana eto Madagasikara ny herisetra raha toa ka ireo tompon’andraikitra natao hiady amin’izany no mampiseho miharihary ny herisetra ? Natao hiaro ny vahoaka ny mpitandro filaminana ary ny fahefana izay eo am-pelatanany dia misy lalàna manehy azy, toy ny asa rehetra ihany » hoy i Hery, solotenan’ny vaomiera mpiaro ny zon’olombelona. « Efa miandry ny sazy manoloana ny fitondran-tena tsy mendrika izay nasehony teo ampanatanterahina ny asany ilay mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana.

Azon’ny fianakaviana niharan’ny herisetra atao  ihany koa ny mametraka fitoriana, fa mandra-piandry izany dia lalàna mifehy ny asa no manenjika azy » hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena.  « Polisy miaro ny manampy ny vahoaka » ny teny filamatr’ireo mpitandro filaminana amin’izao fankalazany ny faha enim-polo taona nijoroany izao. Saingy ny mifanohitra amin’izany ho hita sy tsapan’ny vahoaka rehefa manao ny asany izy ireo. « Atao laharam-pahamehana ny fandriam-pahalemana sy filaminana » izay no voaraikitra anaty velirano voalohany, tsapa noho izany fa mifanipaka tanteraka amin’ny velirano napetrakin’ny Filoham-pirenena izao zava-miseho. Tsy azo antenaina ny hisian’ny fampandrosoana raha toa ka tsy mahay miara-miasa amin’ny vahoaka ny mpitandro filmainana sy ireo olom-panjakana maro eto amin’ny firenena. Tena natao hiaro ny vahoaka tokoa ve ny mpitandro ny filaminana ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire