ActualitésTsidika

Viliahazo : Hitsangana tsy ho ela ny lycée

Ambara mazana fa ny fanabeazana no tena vahaolana ivoahantsika eto Madagasikara amin’izao fahantrana manenika ny firenena izao. Tontosa soa aman-tsara ny asa voalohany hananganana ny lycée ao amin’ny Kaominina Viliahazo Avaradrano, mba tsy hanahirana intsony ny fanabeazana ny zanak’i Viliahazo. »Izay manam-bola mampianatra ny zanany any an-drenivohitra ihany ve no tokony hanana zanaka ho tafita ? nanahirana tokoa mantsy ny fampianarana indrindra aorian’ny fahazoana ny marai-pahaizana BEPC eto Viliahaz » hoy i Vaniala, mponina ao Viliahazo. « Efa manomboka ny asa, ary tsy maintsy mandroso ny tanànantsika satria ny fianarana no lova tsara indrindra. Raha samy mianatra ny rehetra tsy misy ny fanambakana izay isan’ny tena mamono ity firenentsika ity » hoy ny tompon’andraikitra ao Viliahazo. « Raha samy mahita fianarana avokoa isika rehetra dia ho tonga ho azy ny fandrosoana satria efa mahay ka tsy mila atoro amin’izay tokony ho atao intsony » hoy i Tojo, mpampianatra eny amin’ny lycée.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire