SocialTsidika

Fifamoivoizana : Inona no mitranga raha sady misotro toaka no mamily fiara na kodiaran-droa ?

Nifandoana ny moto iray sy posiposy teny amin’ny lalana rarivato teo amin’ny Domaine Alasora nanodidina ny tamin’ny 5 ora hariva, ny alarobia. Tsikaritra fa efa somary mamomamo ilay nitondra moto ka izay no tena nitarika ny loza.

« Nandeha mafy be avy any ilay moto ka tsy nahatana ny hisatra intsony hany ka nifatratra tany amin’ilay posiposy avy hatrany, ilay mpitondra moto rahateo efa nahazo alikaola » hoy i Ezekela, mpivarotra teo amin’ny manodidina nisehoan’ny loza. « Naratra mafy mihitsy ilay mpitondra posiposy ka efa nentina haingana namonjy hopitaly ka hita tokoa fa tena nandray zava-pisotro nisy aliakola ilay mpitondra moto » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana.

« Mampihena ny hery entina mamily ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola, ka tsy tokony handray izany mihitsy rehefa hamily na moto io na fiara eny fa ny bisikileta aza » hoy i Simon, mpampianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa. Efa voararan’ny lalaàna mihitsy ny tsy tokony handraisan’ny mpamily zava-pisotro misy alikaola saingy misy foana ireo miniana tsy manara-dalàna, izay manjary sakana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Natao ho antsika anefa ny lalàna, ary misy antony matoa napetraka izy ireny mba hisorohana ny gaboraraka eto amin’ny firenena satria tsy fanjakan’ny Baroa i Madagasikara fa fanjakana sy vahoaka miaina eo ambony lalàna.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire