ActualitésTsidika

Toamasina : Niditra am-ponja noho ny halatra lavanila ny filoham-pokotany sy ny namany

Efa toerana telo samihafa no nahitana tranga halatra lavanila izay nahatratra 2 000 kilao, dia ny tao Antetezantona sy Cité Haras ary tao Ambolomadinika, izay an’ ny mpandraharahana iray ao Fenerivo Antsinanana. « Olona iray ihany anefa ny mpitarika tompon’antoka amin’ ity halatra ity » hoy ny mpitandro filaminana izay nanao ny fanadihadiana. Valo lahy no tompon’antoka tamin’izany, ary tsy iza fa ny sefom- pokontany eny an- toerana ihany ny mpitarika azy.Rehefa niakatra teo anivon’ ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, noafahan’ ny fitsarana ilay filoham- pokontany fa ny olona 7 hafa nampidirina am- ponja vonjimaika. « Nisy tamin’ ireo mpangalatra no nanana olana ka nitady vahaolana taty amiko ary nolazainy tamiko avokoa ny zava- nitranga tamin’ ny fahaverezan’ilay lavanila », hoy i Haja, tompon’ ny lavanila very. Nitory ity farany taty aoriana ary niakatra fitsarana ny raharaha. « Miandry fitsarana izy fito lahy fa ny sefom- pokontany kosa afaka tamin’ ity raharaha ity », raha ny fanazavana avy ao amin’ ny fitsarana eny Toamasina.Efa hatramin’ ny taona 2016 no nisian’ ny halatra lavanila teto an-toerana. Eny fa na mbola tsy matoy aza izany, mbola misy maka ihany. Toerana maro samihafa no ahitana ity tranga fa tsy tao Toamasina ihany. Tsy mbola misy fandraisana andraikitra manokana anefa mahakasika izany. Isan’ny mampiavaka tanteraka an’i Madagasikara ny fisian’ ny lavanila kanefa raha ny zava-misy ankehitriny, nihena ny vidiny, ary koa be ny mpangalatra azy eny hifotony. Kanefa isan’ny seha-pihariana mila omen-danja betsaka ny lavanila satria be ny mpanjifa sy mpanafatra azy iraisam- pirenena.

Andy Rafidimanana

Laisser un commentaire