Dépêches

Ambanja: Botry iray no tratra saika hanondrana olona ho any Mayotte

03 Novambra, 08h00. Botry iray avy any Ambanja nikasa hanondrana olona an-tsokosoko ho any amin’ny Nosy Mayotte no tratran’ny Tafika an-dranomasina teny amin’ny manodidina ny Nosy Iranja ny 02 Novambra lasa teo. Olona 16 no hita tao anatiny, ka zaza ny 3 tamin’izy ireo ary teratany frantsay ny 1. Nahitana vatana mangatsiaka 1 ihany koa tao anatin’ity botry ity. Manoloana izany dia norasain’ny Tafika an-dranomasina sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana an-tanana avy hatrany ny fanavotana sy fitsaboana ireo olona tao anaty botry izay hita fa tratran’ny tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo.

Laisser un commentaire