Etats-Unis : Efa nivoaka ny sary famantarana vaovaon’ny Facebook
Nanambara ny talen’ny Facebook, Mark Zuckerberg, ny herinandro lasa teo fa hiova ho « Meta » ny anaran’ny Facebook. Anton’io fanovana io, raha ny fanazavany, ny fananana vaovaon’ity « géant du numérique » ity dia ny « Metaverse ». Sehatra iray amin’ny Internet mampifandray ireo mpampiasa tambajotran-tserasera amin’ny sehatra virtoaly iombanana izy io. Hivondrona ao amin’io sehatra io avokoa ny « application » sy ny teknolojian’ny vondrona Facebook, saingy tsy hisy fiovana ny eo amin’ny rafitra.
Efa nivoaka ny herinandro lasa teo kosa ny sary famantarana ny « Meta ». Mamaritra ny hoavin’ny Internet io sehatra io hoy i Mark Zuckerberg. Maro be kosa ireo vondrona ao Californie manambara fa paik’ady entina handrebirebena mba hanadinoina ny tsy fahatomombanan misy eo amin’ny Facebook io fanovana io.
