SocialTsidika

Ambohidrazaka : Ilay vohitra fieren’ny vazimba fahiny

Andeha hijery ny momba izany Ambohidrazaka izany isika, dia tsy aiza izany fa fokontany iray amin’ireo fokontany miorina ao amin’ny Kaominina Alasora. Tsy lavitra an’andrenivohitra izy fa eny amin’iny lalana By pass iny.

Isan’ireo tanàna be mponina indrindra izy satria dia miisa 3 000 eo ho eo ny isan’ny mponina. Iray kilometatra tsy mivadi-mandry eo ho eo ny velaran’ity tanàna ity, ary ahitàna tanàna maro miorina ao an-toerana.

Tanàna lehibe iray izy io tany aloha tany, ary nanana ny lazany mihitsy tao anaty kaominina Alasora. Raha ny fitantaran-dRafatro, zokiolona ao an-tanàna, dia « vohitra iray tao an-kibon’Imerina izy, ary tany amin’ny taona 1800 tany ho any no niorenany. Mbola voahodidina hadivory izy, ary ny Andriana Razaka no nonina voalohany tao. Ankoatra ny eo Ambohidrazaka dia eo Androndrakely koa no misy ny taranany. Teo Ambohidrazaka no nisy ny toerana fanaovana ny famorana fahiny hoan’ireo zazalahy eo Alasora. Teo Ampilahoana no nanaovana izany taloha ary ny CEG Alasora no miorina eo ankehitriny ».

Mbola hita ao an-toerana mandrak’ankehitriny koa ilay rano atao hoe « Andranomiry » na « Andranomahery » no anarana niantsoana azy tamin’izany fotoana. Teo no fakàna rano rehefa hanao fora zaza tamin’izany fotoana.

Mbola voalaza fa ao ihany koa ny lakam-bolamena, na lakana fiampiatan’ny mpanjaka fahiny. Marihina fa izy sy ny mpanompo miaraka aminy ihany no mitangina io lakana io, ary rendrika izy rehefa ela ny ela ka nilevina ao anaty rano ao mandrank’ankehitriny, marihina anefa fa tsy hoe lakana vita amin’ny volamena akory izy io fa lakana mitovy amin’ny lakana rehetra ihany, fa fitondràna ny mpanjaka io lakana io, ka izay no antony niantsoana azy toy izany.

Ilay vato fieren’ny vazimba dia mbola hita tao koa. Raha ny tantara dia niady fahefana tamin’Andriamanelo mantsy ny vazimba, ka nampiasa ny fitaovana vita amin’ny vy izy, ary nambanany tamin’ny lefona ireo ka nitsoaka, ka izay indrindra koa nahatonga ilay fomba fiteny hoe « Andao isika hilefa zalahy fa mano vy manidina Andriamanelo ».  Ny toeram-ponenan’ireny vazimba ireny sy ny nilevenany koa dia ao Alasora. Ny vazimba tena izy kosa dia tsy misy intsony fa ny toerana nisy azy no mbola misy manaja sy mitandrina mafy.

Anisan’ny toerana eto Antananarivo mampiasa ny « Cyclo-pousse » ho fitaterana ny ao Ambohidrazaka. Manamaivana ny fitohan’ny fifamoivoizana izany ary manome endrika ny tanàna ihany koa.

Samy manana ny foto-pivelomany ny mponina ao an-toerana, ary maha akaiky ny renivohitra azy koa dia maro ny olona ao an-toerana npo miasa sy mianatra ivelan’ny tanàna. Ahitàna sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga voalohany ao an-toerana ary misy sekoly tsy miankina amin’ny fanjakàna ihany koa ary misy karazan-javatra hafa.

Tanàna efa mivelatra sy toy ny aty andrenivohitra tsara izy, izany hoe efa misy jiro sy rano, ny lalana koa tsy dia ahitàna fitohanana, misy ihany koa anefa ny toerana afaka hangalana rivotra madio sy mangingina tsara.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire