SocialTsidika

Analakininina : Olona iray no manao antsirambina, 90 no tra-boina

Efa voafehy ary maty tanteraka ny fahamaizana niseho tany Analakininina Toamasina ny 28 oktobra lasa teo. Nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ny miaramila ao amin’ny vondrona Pangalana sy ireo fokonolona any an-toerana ka tontosa soa aman-tsara izany. « Trano 15 no may ary olona manodidina ny 90 hatreto no traboina vokatry ny fahamaizana izay tsy maintsy hitadiavana vahaolana vonjimaika » hoy ireo solontenam-panjakana an-toerana.

« Hanampy ny vahoaka no antom-pisian’ny tafika ka niezaka izahay sy ireo olom-boafidy nitady vahaolana hanampiana ireo tra-boina maro ireo na dia vonjimaika fotsiny ihany aza aloha » hoy ny Miaramila avy ao amin’ny ZDS Pangalana. « Hai-trano niatombohan’ity loza ity izay nanjary niparitaka tamin’ny trano hafa, tena mila mitandrina amin’io afo io isika fa loza io » hoy i Stella, mpanao gazety any an-toerana.

Olona iray tokoa no nanao antsirambina ka ny maro hafa no miara-mizaka ny vokany. Tsy hay na fanahy iniana na niniana natao izao hain-trano izao satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy kanefa na izany aza ao anatin’ny fotoana tahaka izao mihitsy no hanehoantsika ny firaisan-kina ka miara-mifarimbona ao amin’ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire