Taïwan : Laharana voalohany amin’ireo talen’ny orinasa nahomby indrindra i Jen Hsun Huang
Teraka ny 17 febroary 1963 tao Tainan i Jen Hsun Huang, manana zom-pirenena any Etats-Unis ihany koa ny tenany. Mpandraharaha ary injeniora elektrika miliardera izy. Notendren’ny Ernst & Young « entrepreneur de l’année » teo amin’ny taranja teknolojia avo lenta izy tamin’ny taona 1999 ary nahazo marim-pankahasitrahana maro samihafa.Anisan’ireo niara-namorona ny orinasa « Nvidia » izy tamin’ny taona 1993 ary mbola mitantana izany ankehitriny. Notendren’ny Harvard Business Review talen’ny orinasa nahomby indrindra maneran-tany nandritra ny fotoam-pitondrany io orinasa io izy. Talen’orinasa américain faha 61 tsara karama indrindra izy.
