Alasora : Maro ny hetsika fialam-boly any an-toerana amin’ny volana novambra
Betsaka ny rarintsaina azo nandritra ireny krizy nianjady ny firenena ireny, eny fa na hatramin’izao aza. Ilaina anefa ny mba miala voly kely hanesorana ny sorisorin-taona ka ao ireo mijery fampisehoana sy milalao isan-karazany ary ao ihany koa ireo mivoaka maka rivotra sy mitsangatsangana kely.
Hisy ny hetsika fampisehoana ho atao ao Alasora ny 21 novambra ho avy izao manomboka amin’ny roa ora tolakandroizay ho hafanain’ireo mpanakanto tanora manana ny lazany eto amintsika. « Kendrena manokana amin’ity hetsika ity ny tanora izay hita ho rera-tsaina sy rera-batana nandritra ireny valan’aretina ireny ka mpanakanto mifandray amin’izay no nalainay dia i Kimjah sy Kougar, Twoki ary i Jhyel ka 3500 Ariary monja ny vidim-pidirana » hoy ny mpikaarakara. « Hisy kilalao ahazoana loka goavana sy vola ato amin’ny kianja maitso Alasora ny 21 novembre ho avy izao ka manentana anao sahady handray anjara » hoy ny mpanentana, DJ Nahjay. Hisy ihany koa ny fampisehoana mialohan’izay fotoana izay ny 7 Novambra izao izay ho ataon’i Rah-Ckiky sy i Ralanto. Mbola betsaka ihany koa ny azo ialam-boly ao Alasora toy ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara any an-toerana sy ny tanàna amin’ny ankapobeny.
Rehefa ampy fialam-boly tokoa mantsy ny tanora dia hihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana indrindra ny fanolanana. Koa tsara raha hampiroboroboana hatrany ny hetsika ho an’ny tanora.
Nicole Rafalimananjara
