ActualitésTsidika

Ambobimanambola : Nahazo fitaovam-pidioavana ny EPP rehetraAmbobimanambola : Nahazo fitaovam-pidioavana ny EPP rehetra

Antoky ny fahasalaman’ny ankizy any an-tsekoly tokoa ny fitandroana ny fahadioavana. Nisy ny fizarana savony sy arovava ary borosy nify sy fitaovana ireo mpianatra rehetra manerana ny EPP ao anatin’ny Kaominina Ambohimanambola. »Ho reharehan’ny kaominina tokoa ny zaza madio sy matsilo saina, raha tsara tohana ara-pitaovana mantsy ny mpianatra dia sady hazoto hianatra no hahay hizara ny fahadiovana amin’ny manodidina azy » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Faly izahay manohana ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany eto amin’ny kaominina Ambohimanambola satria miatomboka amin’ny zaza ny fahadioavana ary raha zatra mitana izany izy dieny izao dia azo antoka ny hoaviny any aoriana » hoy ny mpitondra tenin’ny vondrona Japoney, izay niara-niasa tamin’ny Kaominina hanatontosana izao fizarana izao. »Isan’ny mbola sakana tsy hisitrahan’ny rehetra ny fahadiovana ny fahampian’ny fahafahana mividy ny fitaovana tahaka izao, raha jerena any amin’ny firenena mandroso dia efa mandeha hoazy ny filàna ara-pidiovana fa eto amintsika mbola maidy amin’ny kapoaka aloha hany ka tsy laharam-pahamehana loatra ny fahadioavana » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimanambola. Marihina fa noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny « Organisation Japonaise de Madagascar » sy « Risa Tsuchiya » no nahavitana izao fizarana fitaovana izao. Antenaina fa hahay hikolokolo sahady ny maha zava-dehibe ny fahadioavana ireto zaza ireto.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire