SocialTsidika

Horonan-tsary fandraharahana : Tokony atao fantatr’olona izy ireny eto Madagasikara

Maro ireo horonan-tsary mikasika ny fandraharahana izay tena feno hanatra sy torolalana, kanefa mbola vitsy ny mahalala azy amin’izao fotoana. Mirona kokoa amin’ny horonan-tsary mampiala voly ny ankamaroan’ny olona kanefa azo atao tsara ny sady miala voly no mahazo fahalalana mikasika ny fandraharahana. »Izaho tena mpijery horonan-tsary miresaka ny fahombiazan’ny hafa tao anatin’ny fandraharahana toy ny «The Social Network» izay nanampy betsaka ahy hisehatra ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana » hoy i Larissa, tanora mpandraharaha. « Efa betsaka ny horonan-tsary mivoaka izay feno hanatra sy torolalana ny tanora mba handroso kokoa hatrany hanatsarana ny hoaviny sy ny fiainany » hoy i Andriamanantena, mpampianatra sady mpandraharaha.Afaka maka tahaka sy maka lesona amin’ireny horonan-tsary ireny mihitsy isika toy ny « The social Network » izay misy ny tantara niforonan’ny facebook ary isan’ny mpanan-karena maneran-tany ny tompony mpanorina azy ankehitriny kanefa mbola tanora. Nandritra io horonan-tsary io no nahitana fa betsaka ny tsy fahombiazana saingy ny mahasoa hatrany sy ny teny tsara ahafahana mandroso hatrany no nojeren’i Mark Elliot Zuckerberg. Betsaka ny fanakiviana teny an-dalana teny fa niroso hatrany izy ary tsy maintsy notratrariny ny tanjony. Mila atao fantatrin’ny olona ny horonan-tsary tahaka ireny eto amintsika satria sady ahitana hevitra ao anatiny no ahitana toro-hevitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire