ActualitésTsidika

Farafangana : Efa eo am-pelatanan’ireo manam-pahefana ireo roa lahy nangalatra taolam-paty

Lehilahy roa mpangalatra taolam-paty no tra-tehaky ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Amporoforo, distrikan’i Farafangana. Teo ampitadiavana izay olona afaka ny hividy ireo taolam-paty nangalarina ireto lehilahy no saron’ny mpitandro ny filaminana.

Raha tsihahivina, tao amin’ny tranon’ny ben’ny tanàna tao an-toerana izy ireo no nandroso, ary nilaza fa mitondra taolam-paty ary mitady olona afaka hividy izany. Velapandriky ny fokonolona sy ireo zandary tany an-toerana noho izany ny nahafahana nampitsahatra ireo mpanao ratsy.

Nandritra ny fakana ambavany natao tamin’izy ireo no nahafantarana fa fasana na « kibory » atao hoe Saritegny ao Betafo fokontany Ambangomasy Amporoforo no novakian’izy roalahy ka nangalarany ireo taolam-paty. Efa manomboka mandray andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ankehitriny, porofon’izany ny fahitana ireo fiara-miasa misy eo amin’ny roa tonta sy ny fiaraha-mientana amin’ny famerenana indray ny fahalemana eny amin’ny fiara-monina misy azy.

« Mijanona ho ankamatatra hatramin’izao ireo olona mpandray taolam-paty, tsy fantatra hoe iza. Ireo mpangalatra hatrany no tratran’ny mpitandro filaminana » hoy i Mamy, renim-pianakaviana. « Mampalahelo ny zavatra misy eto Madagasikara, velona voaendak’ireo mpanao ratsy, maty indray anagalariny hatramin’ny taolambalo. Manjaka mihitsy ny tsy filaminana, tsy mandry fahalemana na ireo velona na ireo razana » hoy i Nirina, iray amin’ireo fianakaviana niharan’ny vaky fasana. « Efa notanana ety amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ireo jiolahy ankehitriny, miandry ny fiakarana fampanoavana izy ireo. Ireo taolam-paty alatra kosa tsy maintsy averina any amin’ny fasana nangalana azy » hoy ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Toerana anisan’ny manana ny haja sy hasina amin’ny Malagasy ny fasana noho izy izay natokana hametrana ny taolam-balon’ireo razambe, izay loharano nipohirana. Very tanteraka anefa izay ankehitriny noho ny sompatra ataon’ireo olona tsy mataho-tody. Mbola manjaka eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana, ary anisan’ny mitàna taha ambony amin’izany ny vaky fasana sy ny alatra taolam-paty. Ampiasaina amin’inona anefa ny taolam-paty izay angalarina ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire