Antanamalaza : Vohitra tsy dia be mpahalala nefa mbola mitàna vakoka hafa kely eto Imerina
Vohitra iray ao anatin’ ny kaominin’i Masindray i Antanamalaza. Manana ny hasiny eo amin’ny toerana manan-tantara eto Imerina izy. Ato anatin’ny distrikan’Avaradrano no misy azy, ary vohitra dimy no mandrafitra io fokontany io. Isan’izany i Tsaravoninahitra izay ivon’ny tantara sy manana vakoka miavaka raha eo amin’ny tantaran’ny Madagasikara.
Raha miala avy aty andrenivohitra dia manodidina ny 32 km eo ny halavirany, ka eo Anjeva no mivily miankavanana raha hihazo an’izany Antanamalaza Tsaravoninahitra izany.
« Fahiny mantsy fony mbola tsy nanjaka teto Imerina Andrianampoinimerina dia roa toko monja ny fanjakàna. rehefa teo amin’ny fitondràny anefa izy dia niezaka nanitatra izany, ny tafika no anisàny fitaovana nampiasainy tamin’izany ary noho izany antony izany indrindra no nampisy ity tanàna ity. Marololo no anaran’ny vohitra fahiny, ary nisy ala maro be teo, ka izay no nahatonga ilay anarana. Raha ara-tantara dia rehefa hanafika haka an’Ambatomanga Andrianampoinimerina dia nandalo teo Marololo, niaraka tamin’ireo miaramila izay notarihan’ny Andriamahintsilaintany ka nahita fa tsara ilay vohitra ka ny zanak’io mpiari-tafika io no nonina tao ary natao hoe Antanamalaza ny anaran-tanàna, amin’ny maha tsy tia ady an-dRambolamanana dia tsy tia rà latsaka izy ary, anarana niantsoana an’io andriana io dia “Tsaravoninahitra” ka natao anaràn’ny tanàna izany taty aoriana » hoy ny fitantaran’i Jean de Dieu mponina ao an-toerana.
Mizara telo Antanamalaza, ary amin’ny maha vohitr’andriana azy dia voahodidina hadivory izy, izay nohadiana tamin’ny hazo sy Tanana. Noho ny tsy fisian’ny angady no nahatonga izany. Miisa telo koa ny vavahady, ary manana aviavy miisa 24 fototra izay mbola mamoa soa aman-tsara.
Sarotra dia sarotra ny toerana fakàna rano ka nametraka fomba ny mponina ao, dia ny tsy fanomezana rano raha misy mangataka. Ahitàna mpitsabo netim-parazana (mpisikidy) ao an-toerana, ny ranon’i Dadabe Rambolamanana andriana fahiny tao an-toerana no ampiasain’izy ireo hitsaboana sy hampandroana olona.
Azo tsidihana tsara ny tanàna fa misy kosa ny toerana misy fady na zavatra tsy azo atao toy ny ao « tsidakaim-borona » na « tsy azo dikaina ». Taha ny fitantaran’ny olona ao an-toerana mantsy dia « fahiny hono na misy vorona manidina aza ka mandalo mandika eo ambonin’io toerana io dia avy dia milatsaka sy maty mihitsy io vorona io ».
Misy vakoka maro ao, ary mbola voatahiry ao koa ny tranon-dRambolamanana, efa nohavaozina izy io ankehitriny, ary mbola manana ny hasiny hatrany anefa ho an’ireo olona ao an-toerana, mitoetra ho vakoka hatrany koa izy toy ireny vakoka navaozina rehtra ireny, ny Rovan’ilafy aza izao tao anatin’ny fanjanahan-tany no nokitihina novaina rafitra, ny Rovan’ny Manjakamiadana koa efa nokitihana ary mbola hatsaraina koakoa aza.
Firenena tena manana harena ara-bakoka mbola be dia be i Madagasaikara ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa izy, azo trandrahina sy araraotina tsara mihitsy izany, indrindra hisitomana bebe koakoa ireo mpizaha tany, tsy voatery ny any moron-tsiraka ihany no hisitomana ny mpizaha tany fa na ny vakoka sy toerana manan-tantara izay betsaka indrindra eto Imerina koa dia afaka araraotina tsara.
Lovasoa Tojonirina
