Pierre Omidyar : Ny finiavana hatrany no tokony atao an-doha
Samy manana ny manavanana azy ny olona tsirairay avy ka afaka ny ho tafita eo amin’ny fiainana. Amin’ny alalan’ny finiavana sy herim-po hatrany anefa no ahavitana izany raha te-ho lasa lavitra. Ireo no hany tsiambaratelon’ny fahatafitana ny faniriana. Tsy mba very mandeha izany ny olona miezaka ny handroso sy milofo mandrakariva.
Raha misy zavatra manavanana anao, izany hoe hainao tanteraka ny milomano ao anatin’ny sehatra anankiray, mila ampiasaina izany raha te-handroso. Kanefa tsy ny fahaizana zavatra iray na ny fahalalana fa manana zavatra iray tena hainao ianao, no zava-dehibe ; fa ny filofosana mafy ao anatin’izany. Ny fikirizana no tsy atao ambanin-javatra raha te ho tafita. Tsy afa-misaraka noho izany ireto zavatra roa ireto : ny talenta sy ny finiavana. Tsy misy dikany raha manan-talenta fotsiny ianao kanefa tsy manana fikirizana ny hampivoatra izany. Mety hitovy amin’ny olon-tsotra tsy mahay izay talentanao akory ary ianao. Arak’izany, tsy avela handalo fotsiny na ho vasoka eo ny talenta fa hilofosana mba hahatafita.
« Ny tontolon’ny zaitra izao no tena manavanana ahy, ary efa miezaka ny manajaitra sy mamorona izay rehetra tonga ato an-tsaiko aho izao. Ezahiko aseho amin’ny olona manodidina ahy ihany koa ny vokatra vitako mba ahatsapan’ireny ireo ny tena talenta hananako marina tokoa » hoy i Sariaka, mpanjaitra ao Andravoahangy. « Hatreto aloha, mbola tsy tena hitako izay talentako sy fahaizako manokana. Tsy fantatro hoe amin’ny fomba ahoana izany no ahafantarako an’izany mba ahalasa lavitra ahy » hoy kosa i Tanjona, mpianatra ao amin’ny oniversite tsy miankina.
Milaza kosa anefa i Pierre Omidyar, mpanorina sy filohan’ny Ebay fa « raha liana na havanana amin’ny zavatra anankiray ianao ka miasa mafy, dia mieritreritra aho fa hahomby ». Miainga amin’ny traik’efa nananana noho izany no handrosoanao, hoy ity filohan’ny Ebay ity. Ary izany no nahalasa lavitra sy nahatafita azy toy izao.
Mila fikirizana ny zava-drehetra raha te ho lasa lavitra. Kanefa mila fantarina mialohan’izany ny fanirianao sy ny talenta hanananao mba hanananao finiavana. Noho izany, tokony ahafantatra ny zavatra manavanana ny tena ve vao afaka ny hanam-piniavana eo amin’ny fiainana ?
Miangaly Rasoamihajamanana
