ActualitésTsidika

Behintsy Ambohimangakely : Fokontanin’ny fahitsiana

Miisa 12 ny kaominina ao Avaradrano ary isan’izany ny kaominina Ambohimangakely. Andeha kosa hojeren-tsika ny iray amin’ireo fokontany 17 ao an-toerana dia i Behintsy izany.

Raha ny drafitry ny tanàna nomen’ny sefo fokontany dia toy izao : « avy amin’ny hoe “Lemahintsy” no niavian’ilay anarana hoe Behintsy, Ifalimanjaka no anarany taloha ary roa kilometra miala ny renivohitry ny kaominina no misy azy. Miisa eo ho eo amin’ny 1 500 eo ho eo ny isan’ny mponina ao amin’ny fokontany ary, misy ny sasany amin’ireo mponina no mivoaka mamandrato asa ivelan’ny tanàna ary misy kosa mijanaona ao ihany miasa mamboly sy miompy mivarotra, manana omby vavy be ronono ny 25% ny mponina ».

Vohitry ny olona mahitsy i Behintsy, ary lasa fankan-tahaky ny mponina hafa : « Andriamahintsy na Ilay Mahintsy no nonina teo amin’io toerana io fahiny nametraka ny soa toavina izy io hoe “ny fandalana tranon’Imahintsy, roa kilometatra metatra eo ho eo Ilaimahintsy ary tia fahamarinana sy fahintsiana izy, rehefa misy manao ny tsy mety ao an-tanàna dia manao tsitsika (velirano) izy ary rehefa misy manao zava-marina sy mety kosa dia omeny tso-dràno hahita ny soa » hoy ny fanazavàn’i Alain, mahay tantara ao an-toerana.

Misy ny tsangam-bato ao ampovoan-tanàna, izay napetraka ho rafim-pehezana. Voahodidina aviavy ihany koa ny tanàna ary mbola mamoa tsara izany mandrak’ankehitriny. Raha ny fitantaran’i Alain hatrany mantsy dia « tehina no natsatok’Ilaimahintsy teo ary tonga aviavy naniry mihitsy izany. Misy dobo iray ao antin’ireo aviavy ireo izay mampifandray amin’Ambohimalaza, Imerikasinina sy Ambohimalaza ary Behitntsy, izay vao tonga ao amin’ny Rovan’Alasora. Toerana fakàn’ny mpanjaka aina eo amin’ny dobo io ary efa nisy nanototra kosa izy ankehitriny ».

Ao Behintsy no toerana anisan’ny mbola ahitàna fantsakana efa niorina tamin’ny taon-jato faha-17 tany ho any, ary mbola misy mampiasa izy io ankehitriny. Efa nohavaozin’ny mponina izy io, ary nofefeny sy nasiany varavarana, « ny vato hono mantsy raha nahitana soa dia hosora-menaka » maro ny maka rano ao ankoatra ny olona matsaka dia ireo mpaka rano mahery rehefa misy famoràna koa dia ao no maka matetika, tsy ao ihany akory anefa ny toerana misy vovo fa misy maro izy ao an-tanàna.

Toy ny tanàna rehetra dia ahitàna fivoarana ihany koa ny tanàn’ny Behintsy, ary manana tombony izy amin’ny maha ao amin’ny distrikan’Avaradrano azy sy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Amin’io volana Novambra hiditra io zao mantsy dia hisy ny Global Entrepreneurship Week Celebration izay ho tontosaina eny Avaradrano, ka ao Ambohimangakely no hanatanterahana izany. Ny Fikambanana B-Training Center (BTC) izay miorina ao Ambohimangakely no mpandrindra azy io ary afaka manatrika sy mandray anjara avokoa ny tanora liana amin’ny fandraharahana sy ny mpandraharaha ao an-toerana, amin’ny maha anatin’ny distrikan’avaradrano an’ny Behintsy dia afaka misitraka ihany koa izy.

Ny fahintsiana sy ny fahamarinana no fototra nijoroan’ny kaominina ka ny mampametram-panontaniana ny maro dia hoe raha amin’izao vanim-potoana tsy fandriam-pahalemana sy tsy fanjakàn’ny marina izao ve dia mbola mitoetra ho mahintsy hatrany ireo mponina ao Behintsy ?

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire