Vohitr’Ilafy Avaradrano : Fototry ny Merina enin-toko
Sambatra raha samy sambatra, hono, ny mponin’Ambohimanga fa manana an’Ikianja malalaka fidasiana, Ambatomihoantendro fitazatazanana ; fa tretrika raha samy tretrika kosa ny mponin’Ilafy fa manana Voara be fialokalofana.
Kaominina iray ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano I Ankadikely Ilafy ary manana ny maha izy azy. Hojerena manokana eto Ilafy, izay fokontany iray ao amin’ny kaominina Akadikely Ilafy.
Kaominina anisan’ny manome lanja ny tanora ny kaominina Ankadikely Ilafy, ary izany indrindra no antony nananganana ny kianja vaovao ho an’ny tanora dia ny kianjan’ny « fifankatiavana », natao hanomezana vahana ny fanatanjahan-tena izy io mantsy. Raha amin’ny lafiny kolontsaina indray dia anisany manana vakoka manan-tantara indrindra ny kaominina dia ny Rovan’Ilafy izany.
Anisan’ny manamarika ny fiforonan’ny Merina enin-toko tao anatin’ny vanim-potoana faha mpanjaka, ary fototra iray nipoiran’ny fanjakàna teto Imerina ihany ko izy. Folo kilometatra avaratra atsinanana miala ny renivohitr’i Madagasikara ny vohitr’Ilafy ary manodidina ny 1km eo ho eo raha miala eo amin’ny kaominina no misy azy.
Raha ny fanzavàn’i Joël, tompon’andraikitra ao an-toerana dia « iray amin’ireo tendrombohitra 12 izy ary iray amin’ireo tendrombohitra telo tao Avaradrano zokin’Imerina koa anefa izy, tany amin’ny taona 1550 izany hoe fotoana najakan’Andriamanelo teto Imerina dia toerana fandalovany rehefa hihazo an’Ambohidrabiby izy. Ambohitrakanga no anarany fahiny, ala feno akanga mantsy no teo fahiny. Tamin’ny fotoana nametrahan’ny Mpanjaka Andriamsinavalona zanaka faha dimy teo anefa dia niova ho Ambohitrandriamanoa ny anaran’ny tanàna. Tsy mpanjaka mahaleo tena fa mpanjaka manoa io zanany io ary manoa Ambohimanga izany (dependant), tao aorian’ny fotoana nandalovan’Andrimbelomasina izay nitso-drano ny anaran’ny tanàna dia Andrianjavonandriamanitra indray no nanjaka teo, dadatoan’Andrianampoinimerina. Tao aorian’ny namerahan’ny Mpanjaka Andriamasinavalona ny zanany teo mantsy dia natao tanàn’ny lafin-kavan’andriana Ilafy ary izay no nahatonga io anarany io ».
Tao alohan’Andrianampoinimerina dia roa ihany ny mpanjaka nonina tao Ilafy : Andriambelomasina sy Andrianjafinjanahary. Nipetraka teo akaikin’ny Tsiamboholahy, izay taranak’Andriatsilavinandriana ny mpanjaka Andrianjafinjanahary, izay tena nankatoa azy tanteraka. Nivadika anefa ny fitokisan’ireto farany noho ny fahitany ny toetra ratsin’ity Mpanjaka ity, satria dia nifofo ny ain’Imboasalama (Andrianampoinimerina) izy ka tsy niafina tamin’ny vahoaka izany ka navoakany sy novonoina tao Antsahafady i Andrianjafy. Tao aorian’izay kosa dia nakarina ho mpanjaka Andrinampoinimerina ary tsy nisy mpanjaka intsony teo Ilafy, izy no nampivondrona ny merina ho enin-toko. Tamin’ny taona 1856 kosa no nanorenana io lapan’Ilafy io izany hoe tamin’ny fotoana nanjakan’ny Ranavalona 1, i Jean Laborde no nanao azy io ary natokana ho an’ny zanaky ny mpanjaka izy io, « rova kely » no anrana niantsoana azy tamin’izany.
Tamin’ny taona 1967 dia nasiam-panamboarana io Lapa io, nesorina ny lavarangana manodidina azy ary ho famonoana hasina ny mpanjanan-tany no anisany nanaovana izany, mbola hita ao daholo ihany koa ny fitaovana nananmarika sy nampiasaina fahiny tao, ary ahitàna songadin’ny foko maro eto Imerina koa ao an-toerana. Misy fanazavana ny fomba Malagasy rehetra koa ao (famorana, famadihana, sikidy, sns).
Raha ny fanazavan’ny Printsy Rabarioelina dia « misy fasana misy trano manara koa ao an-toerana, ary Ralezoka, izay anabavin’Andrianampoinimerina no nafenina ao, mbola misy olona manasina sy manao sorona eo na amin’izao fotoana aza, misy fasan’andriana maro ao, misy ilay toerana nanaovan’ny Jean laborde ilay vilany be nanaovana vanja fa taty aoriana dia nafindra eny Ambohitrabiby io Vilany io. Ahitàna hazon’andriana koa ao an-toerana (Amontana, aviavy) ».
Voahodidina hadivory roa sosona ny Rovan’Ilafy, ary misy hadifetsy ihany koa (abyrathe), natao io hamandrihana ny dahalo hanafika. Nizara efatra ny vavahady fidirana ao an-toerana ary ary arakaraky ny ambaratonga izany (ny mpanjaka sy ny andriana, ny vahiny, ny hova, ary ny mpanompo).
Misy ireo olona sasan-tsasany milaza fa milevina ao Ilafy i Radama II. Nilaza kosa anefa ny taranak’andriana fa tany amorontsiraka izy no maty ary tsy maty novonoina velively ny tenany.
Nisy fotoana amin’izao ankehitriny dia nandeha ny resa-be fa namidin’ny kaominina tamin’ny sinoa ny Rova, nanintsy izany anefa ny ben’ny tanàna ao an-toerana ary nilaza fa « nanampy azy ireo tamin’ny famefena ny Rova fotsiny ihany ireo sinoa ireo, ary sanatria izay hivarotra ny vakoka ny firenena, ny any an-tany lavitra az ve andaniana vola di any eto an-toerana indray no hamidy ? Fanajariana sy fikolokoloina no natao, eo ambany kosa no nananganana EPP vaovao, nisy biraon’ny fokontany vaovao izay vao natsangana ».
Raha ny mpitantana ny tanàna amin’izao fotoana dia anisan’ny nanome lanaja ny vohitr’Ilafy. Na dia hita ho anisan’ny Rova tsy dia malaza sy be mpitsidika be toa an’Amboimanga sy Manjakamiadana azy izy raha eto Imerina, maro anefa ny zavatra mahaliana ao an-toerana ary toerana malalaka mbola vitsy fotodrafitr’asa koa ao, ka azo atao tsara ny mangana tetik’asa na miara-miasa amin’ny mponina ao mba hampivoarana ny tanàna ihany koa.
Lovasoa Tojonirina
