Ny fifampitokisana no zava-dehibe indrindra raha te handroso
Ilaina ny mifampatoky eo amin’ny sehatra maro raha te hiara-hiasa. Afaka miseho amin’ny endrika maro izany noho izany ka mety hampahomby sy hampandroso ny tsirairay. Vokatr’izany ny fahaizana miara-miasa, ny fahaizana mifandray amin’ny hafa no anisan’ny tombony lehibe ho azy.Betsaka, ary tsy tambo isaina, ny zava-miseho eo amin’ny fiaraha-monina ankehitriny. Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, efa tsy vitsy intsony ny olona tsy mifampatoky, maro ny fahavalo ka fady izany mifampatoky izany. Saingy, tsy mbola nisy olona very maina nifampatoky izany, mbola tsy nisy nahita voka-dratsy azo avy amin’ny fifampitokisana raha tena mifampatoky tokoa ilay olona. Antony mety tsy hisian’ny fifampitokisana fotsiny, ohatra, izao ny famadihan’ny andaniny an’ny ankilany. Mety te haka tombony bebe kokoa ho an’ny tenany manokana izy ka tsy te hizara ny tombontsoa iombonana ho azy roa mitambatra. Manjaka ny ratsy ary tsy kely lalana tokoa hoy ny fitenintsika Malagasy. »Hafa mihitsy izany hoe olona hitokiana izany mihoatra noho ireo olona mpihaino anao fotsiny. Afaka miara-miasa eo amin’ny sehatra maro » hoy i Seheno, mpiofana arak’asa. « Ny olona mahatoky no tena sarobidy indrindra raha eo amin’ny lafin’ny fandraharahana satria miankina aminy no mety hampandroso ny asa na tsia » hoy kosa i Cédric, mpiasa ao amin’ny orinasa iray.Tsara ho fantatra fa samihafa ny olona mihaino sy ny olona mahatoky anao mihitsy. Misy hevitra lehibe miavaka avy amin’ireo karazan’olona ireo ka mahatonga ny tsirairay hanavaka izany tsara. Araka ny nolazain’i Zig Ziglar, mpanoratra, mpivarotra, mpandaha-teny manentana hoe « raha tia anao ny olona, mihaino anao, fa raha mahatoky anao izy ireo, hiara-hiasa aminao ».Noho izany, tokony hahay hanavaka tsara ny olona mifandray amintsika isika, ka hijery ireo olona mahatoky sy tsy mivadika. Kanefa, sarotra ny mifampatoky amin’ny olona amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ary vitsy ny olona azo hitokisana. Raha izay ary, azo atao ve ny manorina fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-miasa mba handrosoan’izany haingana ?
Miangaly Rasoamaihajamanana
