Miroso amin’ny fitsinjarana ilay famatsiam-bola ny fanjakana
Sekolim-panjakana miisa 2 183 manerana ny distrika 43 eto Madagasikara no hisitraka tohana ara-tsakafo. Andalam-panatanterahana ny velirano faha efatra, fampianarana ho an’ny rehetra, i Andry Rajoelina ankehitriny.Nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ireo Ministra fa hahazo amin’ny ampahany tamin’ny famatsiam-bola 325 dolara ariary ny lafiny fampianarana. Ho fanarenana sy fampivelarana ny fampianarana ny zanaky ny firenena no nanosika ny filoha hampiasa ny vola mitenina valo amby folo lavitrisa ariary, izay entina hanomezana tohana ara-tsakafo azy ireo. Ny faritra Androy sy Anosy no laharam-pahamehana amin’izany faritra izany, izay entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’izany faritra izany. Nambaran’ny filoha nandritra ny lahateny izay nataon’ny tamin’ny fihaonany tamin’ny solotenan’ny biraon’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena farany teo entina hanarenana ny toe-karen’i Madagasika manoloana ny fandalovan’ny valan’aretina covid-19 izany vola izany, saingy tsy mbola taratra izany ankehitriny.Ny sehatry ny fizahan-tany izay nitondra takaitra goavana nadritra izany, izay tokony hahazo hampahany betsaka amin’izany famatsiam-bola izany tao tsy misy reseka mihitsy hatram’izao. Fananganana fotodrafitr’asa, famatsiana sakafo any atsimo sy ireo zavatra tsy laharam-pahamehana no himasoan’ny fanjakana amin’ny fampiasana izany vola izany. « Hevitra mahomby amin’ny ady atao amin’nireo ankizy mitsaoka an-daharana noho tsy fisian’ny sakafo izao tetikasan’ny Filoha izao. Manohana izany zato isan-jato izay mpampianatra ety amin’ny ambaratonga fototra, misy amin’ire ankizy behazinay matsy no torana aty an-tsekoly vokatry ny tsy fahampian’ny sakafo » hoy i Vonjy, mpampianatra eo amin’ny sekolim-panjakana. »Mangataka izahay mpampianatra ety amin’ny sekoly tsy miankina mba hahazo izany fihahiana izany, mangataka ihany koa izahay ny mba hitovizan’ny tombootsoa azon’ny sekoly tsy miankina sy ny sekolim-panjakana » hoy i Georges, tale jeneralin’ny sekoly tsy miankina eto andrenivohitra. « Tanjona ny hampisondrotra ny tahan’ny fisoratana anarana an-tsekoly, hampihena ny taham-pivoahana ary hanamafisana ny fanomezan-danja ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanany » hoy i Andry Rajoelina. « Hanarenana ireo lesoka tamin’ny taona tany aloha dia tsy ny fanjakana no hitantana izany vola izany, arotsaka any amin’ny tahirim-bolan’ny Minisitera ny vola ka tsy maintsy mandala fanaraha-maso entitra avokoa noho izany izay vola mivaoka eo amin’ny Minisitera » hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hinoana sy hantenaina fa hampivaotra ny sehatry ny fampianarana izao tetikasan’ny Filoha sy ny Mnisiteran’ny fanabehazam-pirenena izao.Angatahina ny hisian’ny mangarahara manoloana ny fitantana izany vola izany. Efa nisy hatrany amin’ny fitondra nifandinby teo aloha izao famatsian-tsakafo izao, saingy noho ny kolikoly izany nisy teo amin’ny fitatanam-bola no nampijanona izany raha tsihahivina. Fampandrosoana ny fampianrana no tanjona koa angatahina ny hampitsaharana ny kolikoly izay mifanohitra tanteraka amin’izany. Koba katsaka sy ronono no nozaraina tamin’ireo mpiantra tamin’izany fotoana, ho inona kosa izany amin’izao fitondrana « manarapenitra » izao ?
Haingotiana Andriamihaja
