Sambava : Maty voatetika nandritra ny fanafihana ilay lehilahy
Nisehoana fanafihana indray ny alin’ny 4 oktobra teo tany Sambava. tranom-barotra iray tao Soavinandriana Sambava no lasibatra nandritra izany. Maty voatetika ny lehilahy iray na dia efa nialana nenina tany amin’ny Hopitaliben’i Besopaka Sambava aza. »Tsy nisy sahy nivoaka izahay nandritra io fanafihana io satria natahotra ny ainay ihany koa » hoy i Philippe, mponina teo amin’ny manodidina ilay tranom-barotra. « Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy ary efa eto am-pelantananay ny raharaha mikasika izao fandrobana sy famonoan’olona izao » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Ny vahoaka samy vahoaka tsy afaka hiaro manoloana ny asa ratsy fa ny mpitandro filaminana izay manana ny fitaovam-piadiana hifanatrehana amin’ireo jiolahy no tena tokony hiditra lalina sy ho sahy » hoy ny solontenam-panjakana ao Sambava. Tena mandry andriranantsy ny mponina ao Sambava amin’izao satria nirogatra tato ho ato ny fanafihana mitam-piadiana.Mila mandray ny andraikitra ny manam-pahefana mahefa manoloana ny tokony ho atao sy ny paik’ady hanafoanana izany. Rahoviana vao tsy hisy intsony ny fanafihana tahaka izao ?
Nicole Rafalimananjara
