Naranty ireo fiara nivoaka ny 1980 izay mbola voakolokolo tsara
Nisy ny fampirantiana ireo fiara nivoaka nanodidina ny taona 1980 ny 26 septambra lasa teo teto Antananarivo. Niisa 80 ireo fiara naranty nandritra izany izay nahasarika ny mason’ny mpijery ny hatsarany na dia efa fiara taloha aza.
« Nivoaka talohan’ny 1980 izany hoe efa tranainy kanefa voakolokolo tsara toy ny vaovao ka nahasarika ny maso » hoy i Henri, raim-pianakaviana isan’ny nanatrika ity hetsika ity. « Ho atao isan-taona ny hetsika “the Distinguished Gentleman’s Drive” mba hanosehana ny ady fiarovana amin’ny homamiadan’ny prostate sy hanomezana lanja ny fahasalaman’ny lehilahy eo amin’ny fiarahamonina » hoy i Rabesaona Grégory, mpikarakara ny hetsika DGD.
« Mila finiavana ny fikarakarana ny fiara nivoaka ny taona 1980 na dia mbola maro aza ny Malagasy manana sy mampiasa azy ankehitriny izay somary sarotra ny fikarakarana azy » hoy i Benoît, raim-pianakaviana manana fiara nivoaka ny taona 1980. Na fiara efa taloha tokoa aza ka voakarakara tsara dia mivoaka amin’ny endriny tena mampiavaka azy foana. Ireny efa taloha ireny mihitsy aza izao no miverina indray any aoriana any ny fankafizana azy raha hay ny manome lanja ilay vokatra.
Nicole Rafalimananjara
