ActualitésTsidika

Tandindomin-doza vokatry ny hain-tany ny fambolem-bary

Manimba ny asa fambolem-bary ny tsy fahampian’ny rano vokatry ny hain-tany izay misy eto amintsika. Ampahefany amin’ny rano ilaina ihany mantsy no misy eny an-tanimbary. Famerana ny fampiasana rano no antony goavana amin’izany.

Miara-miaina izany tsy fahampiana izany avokoa ny rehetra, eny fa na dia ny any amin’ny lemak’i Betsimitatatra aza. Maro nefa ireo tantsaha izay mivelona amin’ny fambolena ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ka ny fambolem-bary no betsaka amin’izany. Olana mateti-pitranga eo amin’ny sehatry ny fambolena ny tsy fahampian’ny rano noho ny fikorotanan’ny toetry ny andro, vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Tafiditra tao anaty velirano izay nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny hampahaleo tena an’i Madagasikara ara-tsakafo, indrindra ny hahatonga an’ny Madagasikara hanondrana vary betsaka indrindra maneran-tany.  Andrasana noho izany ny fanatanterahana izany velirano izany amin’izao.

« Mety hitarika faharatsiana amin’ny voka-bary amin’ity taon-pambolena ity izao tsy fisian’ny rano izao, mety hihena mihitsy ny voka-bary. Faty antoka tantera no hita nandritra ny telo taona nifanesy tamin’ny fambolena » hoy i Jeanine, mpamboly.  « Izao olana izao no iantsoana ireo manam-pahaizan mahakasika ny angovo azo avoizina, hiara-hientana isika hitady izay vahaolana maharitra hamahana ny olan’ny tantsaha » hoy i Nomena, tompon’andraikitra eo amin’ny fandraraharana mahakasika ny fambolena sy fiompiana.

« Midina ambany dia ambany ny fambolem-bary ankehitriny, mitaraina noho izany ireo tantsaha. Ny fambolena no anisany loharanom-bola lehibe ho an’ny 85% ny mponina eto Ambohimanarina » hoy i Dr Todisoa Andriamampandry, solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny boroboritany fahaenina.

Anisan’ny iankinan’ny fiainan’ny Malagasy maro ny asa fambolena, voakasika betsaka amin’izany ny fambolem-bary. Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary, izay misedra olana amin’izao nandritra ny taona maro noho ny tsy fisian’ny rano. Tokony atao laharam-pahamehana ny fanampiana sy fampiofanana ireo tantsaha hahazoana vokatra tsara na dia eo aza ny olan’ny tsy fahampian’ny rano. Mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny fananana vahoaka misakafo ara-pahasalamana, izany hoe ny fahaleovan-tena ara-tsakafo Miantso ny fitondram-panjakana andray andraikitra manoloana izao zava-mitranga izao ho porofo fa fitondrana mihaino sy manakaiky ny vahoaka ny fitondrana misy ankehitriny.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire