SocialTsidika

Inona ny olan’ny Oniversiten’Andrainjato ao Fianarantsoa ?

Tao aorian’ny tatitra nataon’ny filankevitry ny minisitra farany teo dia nilaza ny mpiasan’ny fitantanan-draharaha sy ny teknika (PAT) ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa fa tezitra izy ireo noho ny fahadisoam-panantenany ka nidina an-dalambe.

Raha tsiahivina dia hetsika am-pilamianan no nataon’izy ireo efa herinandro vitsivitsy izay, tsy nahatana ny hatezerany anefa ireto farany ka izao niafara tamin’ny fidianan an-dalambe miharo fandorana fiara izao.

« Tezitra noho ny vontoatin’ny tatitra farany an’ny filankevitry ny minisitra, izay nanantenanay ny hahita ny famahana ny olan’ny fanampiana ara-teknika izay efa natrehinay amam-bolana maro izahay, ary nanantena izahay fa hanome vahaolana ny governemanta » hoy ny solon-tena avy aoa min’ny PAT.

« Izy ireo tokony ho fitaratra indray no manao izao zavatra tsy mendrika izao, lasa mapiana-dratsy ny ankizy izao zavatra ataon’izy ireo izao » hoy i Fehizoro, mpianatra ao an-toerana.

« Tsy vahaolana ny fandorana fiara sy fidinana an-dalambe na tezitra tahaka ny inona aza, ilaina foana ny fitoniana amin’izao vanin’andro asarotra izao » hoy i Sedra tompon’andraikitra misahana ny filamianana.

Tapaka ny fandoavana ny vola fanampiana ara-teknika nomen’ny Fanjakana noho ny fisavorovoroana eo amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaha. Ny Oniversite mihitsy no tokony handoa izany amin’ny ankapobeny, saingy noho ny olana ara-bola dia tsy maintsy nandray izany ny fanjakana. Ny fandoavana io vola io dia mitaky ny fidiran’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire