SocialTsidika

Soavinandriana : Mitohy ny fanamboarana ny Universite De L’itasy

Mandroso tanteraka, ary eo andalam-pahavitàna ny asa fanamboarana ny Oniversite ao Soavinandriana Itasy, izay mitondra ny anarana Université d’Itasy ankehitriny.

Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mantsy ny fampitomboana sy fananganana ny Oniversite vaovao, ahafahan’ireo tanora mpianatra izay vao afaka Bakalorea manohy ny fianarany.

« Ho afa-pahasahiranana ny zanakay, tsy ho sahirana hiakatra handàny saran-dalana ho any Iarivo intsony vao afaka handrato fahalalàna fa eto ihany izany dia vita, ka mankasitraka ny filohan’ny repoblika min’ity tetik’as ity » hoy i Fara Ray aman-dRenin’ankizy mpianatra vao nahazo bacc teo.

« Ekena hoe tsy ampy ny oniversité eto Madagasikara fan a izany aza ilaina fanarenana koa ny sekoly madinika toy ny EPP, mbola maro mantsy ny fitarainana voaray, indrindra tato amin’ny farim-piadidimpampianaran’i Soavinandriana, dia ny tao Fidasiana izany, ka mila mba jerena koa ireny fa tsy ho taitaitra ny haitrahaitra ivelany fotsiny » hoy i Josephine mpisahana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Hoy kosa ny avy ao amin’ny fitondram-panjakàna « tsy voatery handeha hiakatra any Antananarivo intsony ireo mpianatra, ary ho afa-pahasahiranana tanteraka ireo Ray aman-dreny ao amin’ny Faritra Itasy fa hahazo Oniversite manarapenitra vaovao ny Faritra Itasy izay efa mamarana tanteraka ny asa fanamboarana izany ny orinasa miandraikitra azy, ankoatra ny ao Soavinandriana Itasy dia maromaro ihany koa ireo Faritra no nananganana Université, toy ny Faritra Vakinankaratra, Analanjirofo, Sofia, Sava, Menabe, Androy izay efa eo andalam-pahavitana avokoa izy rehetra ankehitriny ».

Na dia eo aza ny foto-drafitr’asa eo amin’ny lafiny fanabeazana EPP sy Oniversite dia anisan’ny miandrandra fijerena ihany koa ireo tanora tsy an’asa eto amin’ny firenena ka miantso ny fitondram-panjakàna sy ny minisitera hiandraikitra izany mba handray an-tanana.

Lovasoa Tojonirina.

Laisser un commentaire