Raisin’ny Feffi an-tànana manomboka androany ny fitantanana ny teti-bola ara-tsakafon’ny mpianatra
Miezaka manaparitaka ny fitantanana ny teti-bola ara-tsakafon’ny mpianatra ny fanjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Feffi. Araka ny tatitra azo teny anivon’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, « ny fitantanana ny teti-bola ara-tsakafon’ny mpianatra dia hafindra any amin’ny fikambanana Feffi (Farimbon’ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony) « . Ny teti-bola noho izany dia efa tafiditra ao amin’ireo vola hatolotra ho an’ny toeram-panabeazana rehetra avy amin’ny volan’ny sekoly ireo. Natao izany mba hanamaivanana ny vesatra ara-bolan’ireo ray aman-dreny ny amin’ny fanohanana ara-tsakafo ny mpianatra.
Azo ambara fa efa maro ireo misitraka izany sakafo any am-pianarana izany ankehitriny raha oharina amin’ny teo aloha. Antony, betsaka ireo ankizy izay tonga any an-tsekoly nefa tsy mbola nisakafo akory raha niala tany an-trano. Ny volan’ny sekoly araka izany no mandray an-tànana ny lafiny ara-tsakafon’ny mpianatra mba ahazoan’izy ireo sakafo feno sy antonony. Tokony ahafeno ny sakafon’ny mpianatra tsirairay isanandro ihany koa anefa ny fandaniana natokana ho amin’izany. Ary natao indrindra izany mba hanampiana azy ireo noho izao kirizy ara-tsakafo eto amin’ny firenena izao. Azo antoka ary tena mazava tanteraka izany fitantanana izany. Ny talen’ny sekoly sy mpiandraikitra roa avy ao amin’ny fikambanana Feffi noho izany no manoratra ny anarany eny anivon’ny Dren sy Cisco ho fanamarihana ny fizotry ny teti-bola. Ny fanaraha-maso ny fandaniana rehetra arak’izany dia raisin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) an-tànana avokoa.
« Tena manampy be dia be anay ray aman-dreny tokoa ilay fiantohana ara-tsakafo any an-tsekoly ho an’ny mpianatra satria mampihena ny fatram-bary arotsaka ato an-trano » hoy i Celestine. « Mety ho tsy azo antoka ny sakafo any satria tsy voaaramaso tsara ny fahadiovana sady manenjika sakafo ho an’olo-maro ihany koa izy ireo dia azo heverina ho tsy zarizary izany » hoy kosa i Paul. « Noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba hialana amin’ny fanodikodinam-bola sy ny varo-maizana ao amin’ny famatsiana ara-tsakafo » hoy ny nambaran’ny filankevitry ny minisitra. Hatreto aloha, ny kaomity mpitantana ny sakafon’ny mpianatra an-toerana dia mandray an-tànana tanteraka ny foto-drafitr’asa napetraka ho amin’ny filaminan’ny entam-barotra, ny fikarakarana sy ny fivoaran’ny sakafo izay atolotra. Mety hampandroso sy hampivelatra ny sain’ireo mpianatra noho izany ireo tohana ara tsakafo ireo raha manaraka tsara ny drafitra efa napetraka izy ireo, hoy kosa ny « nutritionniste ».
Mety ho ampy sakafo ary ho kinga saina avokoa ny mpianatra rehetra raha toa ka tena tanteraka an-tsakany sy an-davany ny teny sy hetsika nataon’ireo filankevitry ny minisitra ireo. « Izay voky tokoa mantsy no maharaka ny namany » hoy isika Malagasy. Kanefa azo heverina ho azo antoka tanteraka ve izany sakafo izany ? Ary hampandroso ny mpianatra Malagasy rehetra ve izany fanampiana ara-tsakafo izany ?
Miangaly Rasoamihajamanana
