Kitra : Nanome fe-potoana ho an’ny FMF ireo filohan’ny ligy
Misaritaka sy tsy mandeha amin’ny laoniny tanteraka ny eo amin’ny tontolon’ny Federasiôna Malagasy ny Baolina Kitra. Marihina fa roa taona tsy nisiana “Assemblée Générale” teo anivon’izany sehatra izany ka izao misy savorovoro izao. Noho izany dia nanome fe-potoana 07 andro ho an’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF ireo filohan’ny ligy miisa 15, manoloana ireo olana maro mihatra amin’ity taranja ity.
“Mangataka fivoriana ASSEMBLEE GENERALE izahay ao anatin’ny fito andro, raha tsy izany dia handefa taratasy any amin’ny FIFA izahay ho fanesorana ny filahan’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra”hoy ireo filohan’ny ligy miisa 15.
Raha tsiahivina mantsy tamin’ny lalao nifanandrinan’ny Barea sy Benin tetsy mahamasina lasa teo iny, no efa naneho ny hatezerany tamin’ny zareo ao amin’ny FMF ny filoha’ny repoblika Andry Rajoelina, noho ny fandefasany fangatahana tsy nisy fierana tsy nisy dinika tany amin’ny CAF ny amin’ny isan’ny olona afaka hanatrika io lalao io.
Noho ny tandrevaka teo amin’ny FMF hatrany ihany koa dia tsy azo natrehina ny lalao nifandonàn’ny Kabwe Warrior FC sy ny CFFA Andoharanofotsy ny Alahady lasa teo, tezitra nanoloana izay ny filohan’ny ligin’Analamanga ka izao nahatonga ny fandraisana fanampaha-kevitra teo amin’ny ligy izao.
« Tsy mety ny fanesorana ny olona am-perin’asa satria midika ho fisisihana ho eo amin’ny toerany izany ka aleo ho tapitra ny fitaom-piasany dia ho tsaraina amin’ny asany eo iahny izy » hoy i Tsangy mpanao gazety aram-panatanjahantena.
Ny volana aprily lasa teo no nesorin’ireto FMF ireto tamin’ny toerany ny mpanazatra ny barea Nicolas Dupuis, ary nosoloiny ny mpanazatra mpisolo toerana Eric Rabesandratana. « Efa misy ambadika politika mihintsy io, ary miharo tsy fanasiana vidiny ny baolina kitra Malagasy, tokony miray ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mba tsy hisian’ny tahak’izao lalan-dava » hoy i Fenitra mpanazatra amina kilioba tsy miankina.
Iaraha-mahalala fa tsy eto an-toerana ny filohan’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra ary endrasana mafy ny fandraisana andraikitra avy any aminy manoloana izao zava-mitranga izao. Tsy tokony hatao tsinona tsinona kosa mantsy ny baolina kitra fa kolo-tsaina io fa tsy politika ka hararaotina, noho izany tokony hametra-pialana ny filohan’ny FMF rehefa tsy afaka hanantenraka ny asany.
Lovasoa Tojonirina
