Ny sehatra tsy miankina no hitantana ny kianja Barea Mahamasina
Nilaza ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika fa omena ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny kianja Barea Mahamasina izay ny Stade Municipal notantanin’ny Kaominina Antananarivo teo aloha. Hisokatra ato ho ato noho izany ny toeram-pisakafoanana sy ny trano fandraisam-bahiny ao amin’ny Kianja Barea.
« Mbola manana 12 volana ny orinasa sinoa izay nanao ny asa amin’ny fitantanana ny kianja Barea hanara-maso ny amin’ny fahavitana tanteraka ka hatreto aloha izany dia fomba fitantanana tsy miankina no hanaovana azy saingy miara-miasa hatrany amin’ny Ministera sy ny Kaominina » hoy i Rakotomalala Adriana, mpiandraikitra ny fiadidiana ny Repoblika. « Tokony ilay trano fandraisam-bahiny ihany no omena ny privée fa tsy ny kianja iray manontolo satria ny mpianatra sy ny tanora mpilalao dia mampiasa ny kianja avokoa » hoy i Armand, mpampianatra.
« Raha Malagasy ihany koa no hitantana an’io, tsy ho ela izy io dia ho simba satria mila fikarakarana isan’andro izy kanefa aty amintsika raha fotodrafitrasam-bahoaka tahaka izao dia tsy misy miraharaha, raha tsy miankina no hitantana azy dia ho voakarakara kokoa izy » hoy kosa i Vola, mpampianatra mpikaroka. Hita tokoa fa ny vahiny no manjaka eto amintsika na ny orinasa matanjaka izany dia saika an’ny vahiny avokoa. Fa inona no olana ? Tsy mahay mitantana ve isika Malagasy hany ka mihanahana ka ny vahiny indray no mahazo toerana ?
Nicole Rafalimananjara
