Tsiroanomandidy : Trano 101 no indray may
Nisehoana fahamaizana trano goavana tany Analatsifaka Tsiroanomandindy ny alin’ny sabosy 04 Semptambra lasa teo, ary tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka teo no nisehoan’ny loza. Miisa eo amin’ny 101 tafo ny trano potiky afo ary olona manodidina ny 400 mahery no tra-boina noho ny fahamaizan’ny trano.
« Tsy mbola fantatra tsar any tena niavian’ny fao fa fantatra fotsiny ny hoe avy any avaratr’Analatsifaka no niaviany » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. « May kila firehitra tsy nisy azo noraisina ny fitaovana sy zava-nisy tao amin’ny tanàna, tsy fantatra izay hiafaranay mponina fa simba tanteraka ny trano » hoy i Nirina, isan’ny lasibatra amin’izao fahamaizana izao. « Mila hafainganina ny fanampiana ireto mponina izay tsy manan-ko raisina ireto satria tapi-dalan-kaleha tanteraka izy ireo amin’izao, tsy ny fanjakana irery akory no antsoina amin’izany fa isika Malagasy, mpiray tanindrazana amin’izy ireo izay malala-tanàna » hoy i Clement, mpandidika fiarahamonina.
Hita ho mirongatra tokoa tato ho ato ny hain-trano goavana toy izay niseho tao Marolambo vao tsy ela akory izay ka trano am-polony no kila firehitra tamin’izany. Tandrevaka avy amin’ny mponina ao an-toerana ve sa sotasota fotsiny amin’izao no nahatonga ny loza tany Tsiroanomandidy ity ?
Anisan’ny loza azo sorohina ihany raha ny hain-trano,izany hoe ny fahamailoana no atao betsaka( ohatra : famonoana ny herinaratra alohan’ny hivoaka ny trano ,ary eo ihany koa ny tsy fanjanona ireny jiro “petrole” na labozia ireny).Tokony ho jeren’ny fitondram-panjakana akaiky koa ny teknika fomba fanafainganana ny fahatongavan’ireny mpamonjy voina ireny “pompier”,na rahany tokony ho izy aza dia ampitomboana mihintsy izy ireny,indrindra any amin’ireny tany ambanivohitra ireny.Raha ny eto an-drenivohitra mantsy matetika dia voavonjy haingana ihany ny hai-trano tahak’ireny satria akaiky mpamonjy voina ; ka izay indrindra no tokony hampitomboana azy ireny eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Lovasoa Tojonirina
